TVM – Televiziona Malagasy

Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny Televiziona malagasy, natao izao seha-pifandraisana izao, mba hisian’ny fifanantonanana akaiky kokoa ny vahoaka malagasy mpanaraka sy mpijery ny televiziona malagasy.
Niezaka hatrany ny ekipan’ny Televiziona malagasy hanamora sy hanatsara ny fampitana ny sary sy ny feo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknolojia maro isan-karazany, zay azo lazaina fa avo lenta tokoa raha tsy hilaza afa-tsy ny ” TVM ON LINE ” isika; natao ihany koa ny fampiakarana ny sary sy ny feo eny amin’ny zana-bolana, mba hanamora ny fahitana ny Televiziona malagasy, na aiza na aiza toerana misy anao eto Madagasikara, eny fa na dia any ivelany aza, dia efa afaka hanarahanao ny fandaharan’ny Televiziona malagasy, raha tsy hitanisa afa-tsy Afrika, sy ny manodidina ny ranomasimbe indiana.

www.presidence.gov.mg –  www.televisionmalagasy.sitew.com –  Google+

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *